Bokin'ny Genesisy 41:40
koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
41Ary hoy indray Farao tamin’ i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho.
Read all of Bokin'ny Genesisy 41
Cross References
Genesis 45:8Ary amin’ izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain’ i Farao, sy ho tompon’ ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
1 Samuel 10:1Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’ i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
Esther 10:3Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an’ i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin’ ny Jiosy ka nankasitrahan’ ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ ny olona rehetra iray firazanana aminy.
Psalms 2:12Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
Proverbs 22:29Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy.
Daniel 5:29Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana.