Bokin'ny Genesisy 42:15
dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
Read all of Bokin'ny Genesisy 42
Cross References
Genesis 42:7Ary hitan’ i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin’ ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
Genesis 42:16Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.
Genesis 42:30Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon’ ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.
Genesis 43:3Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
Genesis 44:20Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian’ ny rainy izy.
Genesis 44:23Ary hoy ianao tamin’ ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midìna aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.