Bokin'ny Genesisy 42:24
Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an’ i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 42
Cross References
Genesis 34:25Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’ i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’ i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
Genesis 43:23Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an’ i Simeona ho eo aminy izy.
Genesis 45:1Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’ izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’ i Josefa, raha nanao izay hahafantaran’ ny rahalahiny azy izy.
Genesis 45:14Dia namihina ny vozon’ i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin’ ny vozony.
Isaiah 63:9Tamin’ ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ ny andro taloha ela rehetra.
Romans 12:15Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany.