Bokin'ny Genesisy 42:25
Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan’ ny isan-dahy ho ao anatin’ ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Ary natainginy tamin’ ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
Read all of Bokin'ny Genesisy 42
Cross References
Genesis 43:12ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
Genesis 44:2ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan’ ny lasakan’ ilay faralahy mbamin’ ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain’ i Josefa.
Isaiah 55:1He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
Matthew 6:33Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
1 Peter 3:9tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’ izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.