Bokin'ny Genesisy 42:28
Dia hoy izy tamin’ ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin’ ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon’ Andriamanitra amintsika izao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 42
Cross References
Genesis 42:36Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany,
Leviticus 26:36Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
1 Kings 10:5sy ny fihinany teo amin’ ny latabany sy ny fipetrahan’ ny tandapany sy ny fitoeran’ ny mpanompony mbamin’ ny fitafian’ ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
Song of Solomon 5:6Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin’ ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
Lamentations 2:17Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin’ ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
Amos 3:6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?