Bokin'ny Genesisy 42:36
Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 42
Cross References
Genesis 37:20Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin’ ny anankiray amin’ ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin’ ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin’ izany na hanao ahoana ny nofiny.
Genesis 43:14ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
Genesis 45:28Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
1 Samuel 27:1Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin’ ny tànan’ i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ ny tanin’ ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran’ ny tanin’ ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin’ ny tànany aho.
Psalms 34:19Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
Isaiah 27:9Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.