Bokin'ny Genesisy 42:6
Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 42
Cross References
Genesis 19:1Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin’ i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin’ ny tany.
Genesis 37:9Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ ny folo niankohoka teo anatrehako.
Genesis 41:54dia niandoha kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa nolazain’ i Josefa; ary nisy mosary tany amin’ ny tany rehetra; nefa eran’ ny tany Egypta rehetra dia mbola nisy hanina ihany.
Genesis 41:56Ary ny mosary dia tany amin’ ny tany rehetra. Ary Josefa namoha ny trano fitehirizam-bary ka nivaro-bary tamin’ ny Egyptiana.
Genesis 44:14Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon’ i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Genesis 45:26Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon’ i Jakoba, fa tsy nino azy izy.