Bokin'ny Genesisy 44:16
Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’ itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’ itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 44
Cross References
Genesis 37:7Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ ny amboarako.
Genesis 37:18Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
Genesis 43:8Ary hoy Joda tamin’ Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
Genesis 44:32Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin’ ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin’ ny raiko amin’ ny andro rehetra hiainako aho.
Deuteronomy 25:1Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ ny fitsarana ary tsarain’ ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
Joshua 7:18dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, no notanana.