Bokin'ny Genesisy 44:18
Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’ itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’ i Farao ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
Read all of Bokin'ny Genesisy 44
Cross References
Genesis 18:30Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
Genesis 37:6Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
Genesis 41:44Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
2 Samuel 14:12Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin’ ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
Job 33:31Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
Proverbs 19:12Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra.