Bokin'ny Genesisy 44:4
Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin’ ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
5Tsy iny va no fisotroan’ ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
Read all of Bokin'ny Genesisy 44
Cross References
1 Samuel 24:17Ary nony vita izany teny nataon’ i Davida tamin’ i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
Psalms 35:12Mamaly ratsy ahy ho solon’ ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
Proverbs 17:13Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.