Bokin'ny Genesisy 45:10
dia honina eo amin’ ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao mbamin’ izay rehetra anananao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 45
Cross References
Genesis 46:34dia izao no havalinareo: Miompy omby aman’ ondry no raharaha fanaon’ ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin’ ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin’ ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
Genesis 47:4Ary hoy koa izy tamin’ i Farao: Mba hivahiny eto amin’ ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an’ ny ondry aman’ osin’ ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin’ ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin’ ny tany Gosena ny mpanomponao.
Genesis 47:12Dia novelomin’ i Josefa tamin’ ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ ny ankohonan’ ny rainy rehetra, araka ny isan’ ny zanany avy.
Exodus 9:26Fa tao amin’ ny tany Gosena izay nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
John 14:2Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.