Bokin'ny Genesisy 45:26
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon’ i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin’ i Jakoba rainy tany amin’ ny tany Kanana.
Read all of Bokin'ny Genesisy 45
Cross References
Genesis 37:35Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ ny zanako any amin’ ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
Genesis 42:36Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany,
Genesis 44:28fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;
Genesis 48:11Dia hoy Isiraely tamin’ i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
Job 29:24Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.
Psalms 126:1Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.