Bokin'ny Genesisy 46:1
Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitr’ Isaka rainy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 46
Cross References
Genesis 8:20Ary Noa dia nanorina alitara ho an’ i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ ny alitara.
Genesis 21:14Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an’ i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr’ i Beri-sheba.
Genesis 21:33Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’ i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
Genesis 26:22Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen’ i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin’ ny tany.
Genesis 28:13Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
Genesis 31:53Ny andriamanitr’ i Abrahama sy ny andriamanitr’ i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain’ izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran’ i Isaka rainy kosa no nianianan’ i Jakoba.