Bokin'ny Genesisy 46:15
lreo no zanakalahin’ i Lea izay naterany tamin’ i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan’ ny zananilahy rehetra mbamin’ ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary ny zanakalahin’ i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
16Ary ny zanakalahin’ i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
Read all of Bokin'ny Genesisy 46
Cross References
Genesis 29:16Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ ny zokiny, ary Rahely no anaran’ ny zandriny.
Genesis 30:17Ary Andriamanitra nihaino an’ i Lea, dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin’ i Jakoba.
Genesis 34:1Dia nivoaka Dina, zanakavavin’ i Lea, izay naterany tamin’ i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
Genesis 49:3Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
Numbers 1:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay, tao amin’ ny trano-lay fihaonana tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanao hoe:
Numbers 26:1Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona: