Bokin'ny Genesisy 47:11
Dia namponenin’ i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin’ ny tany Egypta, dia tao amin’ ny tany tsara indrindra, tao amin’ ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian’ i Farao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary Jakoba, rehefa nisaotra an’ i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
Read all of Bokin'ny Genesisy 47
Cross References
Exodus 1:11Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’ i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
Numbers 33:3Niala tao Ramesesa Izy tamin’ ny volana voalohany, dia tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; nony ampitson’ ny Paska no nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tanana avo teo imason’ ny Egyptiana rehetra.
John 10:10Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
John 14:2Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
John 17:2araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomenao Azy.