Bokin'ny Genesisy 47:12
Dia novelomin’ i Josefa tamin’ ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ ny ankohonan’ ny rainy rehetra, araka ny isan’ ny zanany avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 47
Cross References
Genesis 45:7Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ ny tany, fa hamelona anareo amin’ ny famonjena lehibe.
Genesis 45:11Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
Genesis 47:21Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin’ ny tanàna hatramin’ ny faran’ ny faritr’ i Egypta rehetra.
Genesis 50:21Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
Ruth 4:15Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
Matthew 15:4Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.