bible.software › Bokin'ny Genesisy › Bokin'ny Genesisy 47 › Bokin'ny Genesisy 47:18
Bokin'ny Genesisy 47:18
Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin’ ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin’ itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan’ itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason’ itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
When that year was ended, they came unto him the second year, and said unto him, We will not hide it from my lord, how that our money is spent; my lord also hath our herds of cattle; there is not ought left in the sight of my lord, but our bodies, and our lands:
In Context
17Dia nentiny tany amin’ i Josefa ny omby aman’ ondriny, ka notakalozan’ i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’ osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin’ izany taona izany ho takalon’ ny bibiny rehetra.
19nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’ i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
Read all of Bokin'ny Genesisy 47
Cross References
2 Kings 6:26Ary raha nitsangantsangana teny ambonin’ ny manda ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'ny Genesisy 47:18