Bokin'ny Genesisy 47:19
nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’ i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 47
Cross References
Genesis 41:36Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin’ ny tany ho amin’ ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho simban’ ny mosary ny tany.
Job 2:4Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
Lamentations 5:6Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
Matthew 16:26Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?