Bokin'ny Genesisy 47:23
Dia hoy Josefa tamin’ ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an’ i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 47
Cross References
Genesis 45:6Fa roa taona izao no efa nisian’ ny mosary teto amin’ ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
Psalms 107:36Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
Proverbs 11:26Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra.
Proverbs 13:23Ny tanin’ ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’ izay tsy rariny.
Isaiah 28:24Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
Matthew 24:45Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ ny fotoana?