Bokin'ny Genesisy 47:27
Ary nonina tao amin’ ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin’ ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 47
Cross References
Genesis 8:7Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin’ ny tany iny.
Genesis 13:16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Genesis 26:4dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany;
Genesis 46:3Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
Exodus 1:12Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’ Isiraely indrindra ny Egyptiana.
Deuteronomy 26:5Dia hiteny eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin’ ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.