Bokin'ny Genesisy 48:12
Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ ny lohalik’ Isiraely, dia niankohoka tamin’ ny tany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Joseph brought them out from between his knees, and he bowed himself with his face to the earth.
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 48
Cross References
Genesis 18:2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tany
Genesis 23:7Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ ny taranak’ i Heta tompon-tany,
Genesis 42:6Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Exodus 34:8Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin’ ny tany ka niankohoka;
Leviticus 19:32Mitsangàna raha eo anatrehan’ ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan’ ny anti-panahy, ary matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
2 Kings 4:37Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin’ ny tongony sady niankohoka tamin’ ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.