Bokin'ny Genesisy 48:17
Ary rehefa hitan’ i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin’ ny lohan’ i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan’ ny rainy, mba hampiala azy amin’ ny lohan’ i Efraima ho amin’ ny lohan’ i Manase,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 48
Cross References
Genesis 38:10Ary ratsy teo imason’ i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
Numbers 11:1Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan’ i Jehovah ny olona, ary nony ren’ i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon’ i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin’ ny toby.
1 Samuel 16:7Fa hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ ny olona no fijerin’ i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.
1 Chronicles 21:7Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
Romans 9:7Ary na dia taranak’ i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’ isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.