Bokin'ny Genesisy 48:5
Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an’ i Robena sy Simeona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 48
Cross References
Genesis 41:51Ary ny anaran’ ny lahimatoa dia nataon’ i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ ny raiko.
Genesis 46:20Ary ny zanakalahin’ i Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’ i Josefa tany amin’ ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
Numbers 1:10ny avy amin’ ny zanak’ i Josefa dia Elisama, zanak’ i Amihoda, avy amin’ i Efraima, ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, avy amin’ i Manase kosa;
Numbers 26:28Ny zanak’ i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
Joshua 14:4Fa firenena roa ny taranak’ i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ ny tany ny taranak’ i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ ny omby aman’ ondriny sy ny fananany.
1 Chronicles 5:1Ary ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ ny zanak’ i Josefa, zanak’ Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ ny fitantaram-pirazanana ireo;