Bokin'ny Genesisy 48:7
Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary rehefa hitan’ Isiraely ny zanak’ i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
Read all of Bokin'ny Genesisy 48
Cross References
Genesis 25:20Abrahama niteraka an’ Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’ i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’ i Labana Syriana.
Genesis 35:16Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
Ruth 1:2Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran’ ny vadiny, ary ny anaran’ ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin’ ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
1 Samuel 10:2Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan’ ny fasan-dRahely, ao amin’ ny fari-tanin’ ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ ny zanako?
Micah 5:2Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.