Bokin'ny Genesisy 50:10
Ary rehefa tonga teo Goren’ atada izy, izay ao an-dafin’ i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
Read all of Bokin'ny Genesisy 50
Cross References
Genesis 50:11Ary rehefa hitan’ ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin’ ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin’ i Jordana.
Deuteronomy 1:1Izao no teny izay nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra tany an-dafin’ i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin’ ny tani-hay tandrifin’ i Sofa, tanelanelan’ i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
1 Samuel 31:13Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin’ ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.
1 Chronicles 10:12dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’ i Saoly sy ny fatin’ ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin’ ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.
Acts 8:2Ary mpivavaka tsara no nandevina an’ i Stefana sady nisaona azy fatratra.