Bokin'ny Genesisy 50:18
Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And his brethren also went and fell down before his face; and they said, Behold, we be thy servants.
In Context
19Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho?
Read all of Bokin'ny Genesisy 50
Cross References
Genesis 37:7Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ ny amboarako.
Genesis 42:6Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Genesis 45:3Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.