Bokin'ny Genesisy 50:5
Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin’ ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin’ ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
Read all of Bokin'ny Genesisy 50
Cross References
Genesis 3:19Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.
Genesis 47:31Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan’ ny farafara Isiraely.
Genesis 49:29Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ ny razako; aleveno ao amin’ ny razako aho, dia ao anatin’ ny zohy izay any amin’ ny sahan’ i Efrona Hetita,
Deuteronomy 4:22Fa izaho ho faty amin’ ity tany ity, fa tsy hita an’ i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
2 Chronicles 16:14Dia nalevina tao amin’ ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’ i Davida, ka nampandrina teo amin’ ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
Psalms 79:3Ny ràny naidiny manodidina an’ i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.