Bokin'ny Genesisy 6:18
Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ ny vinantonao vavy miaraka aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 6
Cross References
Genesis 7:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: Midìra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao.
Genesis 7:13Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’ i Noa, mbamin’ ny vadin’ i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
Genesis 17:4Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ ny firenena maro ianao.
Genesis 17:21Nefa ny fanekeko haoriko amin’ Isaka, izay haterak’ i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
Hebrews 11:7Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
2 Peter 2:5ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’ i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin’ ny ratsy fanahy teo amin’ izao tontolo izao,―