Bokin'ny Genesisy 6:22
Dia nataon’ i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’ Andriamanitra azy no nataony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thus did Noah; according to all that God commanded him, so did he.
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 6
Cross References
Genesis 7:5Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah azy.
Genesis 7:16Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ ny nofo rehetra, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa; ary narindrin’ i Jehovah tao izy.
Exodus 7:6Dia nataon’ i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
Exodus 40:19Ary namelatra ny lay teo ambonin’ ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exodus 40:23Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exodus 40:27ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.