Bokin'ny Genesisy 6:7
Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin’ ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin’ ny tany, ka nalahelo ny fony.
8Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Genesisy 6
Cross References
Psalms 24:1Salamo nataon’ i Davida. An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Proverbs 10:27Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina.
Isaiah 27:11Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
Jeremiah 12:3Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny ho amin’ ny andro hamonoana.
Zephaniah 1:3Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin’ ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin’ ny tany ny olona, hoy Jehovah.