Bokin'ny Genesisy 6:9
Ary izao no tantaran’ i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Noa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’ i Jehovah.
10Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy, dia Sema sy Hama ary Jafeta.
Read all of Bokin'ny Genesisy 6
Cross References
Genesis 5:1Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy;
Genesis 5:24Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra.
Genesis 10:1Ary izao no taranaky ny zanakalahin’ i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian’ ny safo-drano.
Genesis 48:15Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
2 Chronicles 15:17Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin’ ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon’ i Asa tamin’ ny androny rehetra.
Job 1:1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.