Bokin'ny Genesisy 7:11
Tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny fahenin-jato taona niainan’ i Noa, tamin’ izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
12Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
Read all of Bokin'ny Genesisy 7
Cross References
Genesis 1:7Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin’ ny habakabaka tamin’ ny rano ambonin’ ny habakabaka; dia nisy izany.
Genesis 8:2Ary tampina ny loharanon’ ny lalina sy ny varavaran’ ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
2 Kings 7:2Fa namaly ny lehilahin’ Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin’ ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan’ ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.
Job 28:4Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
Job 38:37Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,
Psalms 74:15Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.