Bokin'ny Genesisy 7:23
Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ ny tany, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary nahery tambonin’ ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
Read all of Bokin'ny Genesisy 7
Cross References
Genesis 7:21Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra.
Exodus 14:28Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan’ i Farao rehetra izay niditra teo amin’ ny ranomasina nanenjika ny Zanak’ Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Job 22:15Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy.
Psalms 91:7Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
Proverbs 11:4Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
Ezekiel 14:14na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.