Bokin'ny Genesisy 9:1
Ary Andriamanitra nitso-drano an’ i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 9
Cross References
Genesis 1:28Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ ny tany.
Genesis 8:17Ary ny zava-manan’ aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ ny tany ireny.
Genesis 9:19Ireo telo lahy ireo no zanak’ i Noa; ary avy tamin’ ireo no nielezan’ ny olona tambonin’ ny tany rehetra.
Genesis 24:60Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin’ izay mankahala azy.
Psalms 128:3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.