Bokin'i Habakoka 1:5
Jereo any amin’ ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin’ ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Habakoka 1
Cross References
Deuteronomy 4:27Ary Jehovah hampiely anareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ i Jehovah anareo.
Isaiah 29:9Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin’ ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin’ ny toaka.
Jeremiah 5:12Nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Lamentations 4:12Ny mpanjakan’ ny tany sy ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema.
Daniel 9:12Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin’ ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.