Bokin'i Hagay 1:10
Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan’ ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan’ ny tany tsy hahavokatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Therefore the heaven over you is stayed from dew, and the earth is stayed from her fruit.
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:23Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin’ ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
1 Kings 17:1Ary Elia Tisbita, isan’ ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin’ i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’ izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
Hosea 2:9Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin’ izay noho ny ankehitriny.