Bokin'i Hagay 1:11
Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin’ izay rehetra efa nisasaran’ ny tanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:22Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main’ ny rivotra na maty fotsy no hamelezan’ i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
2 Kings 8:1Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin’ ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’ izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ ny tany.
Lamentations 1:21Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo.
Amos 7:4Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin’ ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
Haggai 2:17Ny vary main’ ny rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin’ ny asan’ ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.