Bokin'i Hagay 1:6
Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
7Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
Cross References
Leviticus 26:26Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
Deuteronomy 28:38Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin’ ny valala ireny.
1 Kings 17:12Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan’ ila ao amin’ ny barika sy diloilo kely foana ao amin’ ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
Job 20:28Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ ny andro fahatezerany.
Proverbs 11:24Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
Jeremiah 12:13Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin’ ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.