Bokin'i Hagay 2:14
Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan’ ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Proverbs 15:8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
Proverbs 21:27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.
Isaiah 1:11Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran’ ny zanak’ omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny an’ ny zanak’ ondry ary ny an’ ny osilahy.
Haggai 1:4Moa andro tokony hitoeran’ ny tenanareo ao amin’ ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
Jude 1:23ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.