Bokin'i Hagay 2:3
Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 22:5Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an’ i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.
Ezra 3:12Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly;
Ezekiel 7:20Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
Zechariah 4:9Ny tànan’ i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
Luke 21:5Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy: