Bokin'i Hagay 2:7
ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Cross References
Genesis 22:18ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
Exodus 40:34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
1 Kings 8:11ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tranon’ i Jehovah.
Psalms 80:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’ i Asafa.
Ezekiel 21:27Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an’ i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin’ ny akoran’ ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.
Daniel 7:20ary ny amin’ ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.