Bokin'i Hagay 2:9
Ny voninahitr’ ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; ary eto amin’ ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Cross References
Psalms 85:8Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
Isaiah 57:18Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ ny malahelo ao aminy,
Micah 5:5Ary handany ny tany Asyria amin’ ny sabatra Sy ny tanin’ i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin’ ny Asyriana, Raha tonga amin’ ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ ny fari-tanintsika ireny.
John 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
Acts 10:36Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ ny Zanak’ isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’ izao rehetra izao),
Ephesians 2:14Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,