Epistily ho an'ny Hebreo 1:14
Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 1
Cross References
Genesis 32:1Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin’ ny fonenany.
1 Kings 22:19Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Psalms 34:7Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra.
Psalms 103:20Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny.
Isaiah 6:2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
Daniel 6:22Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.