Epistily ho an'ny Hebreo 1:7
Ary ny anjely dia ilazany hoe: “Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo”.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And of the angels he saith, Who maketh his angels spirits, and his ministers a flame of fire.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 1
Cross References
2 Kings 6:17Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’ i Elisa.
Isaiah 6:2Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.
Daniel 7:10Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
Hebrews 1:14Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’ izay handova famonjena?