Epistily ho an'ny Hebreo 10:14
Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For by one offering he hath perfected for ever them that are sanctified.
In Context
13ka hatramin’ izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
15Ary ny Fanahy Masìna koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 10
Cross References
Acts 26:13koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin’ izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
1 Corinthians 1:2mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
Hebrews 2:11Fa iray no nihavian’ izy roroa, na Izay manamasìna, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe “rahalahy”
Hebrews 7:19(fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’ Andriamanitra.
Hebrews 9:10(fa naman’ ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin’ ny andro fanovana.
Hebrews 10:1Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’ izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.