Epistily ho an'ny Hebreo 10:29
manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masìna sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 10
Cross References
2 Kings 9:33Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin’ ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin’ i Jeho izy.
Psalms 143:10Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina.
Isaiah 28:3Dia hohitsahin’ ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima.
Jeremiah 1:5Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ ny firenena.
Ezekiel 16:6Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin’ ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin’ ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.
Zechariah 12:10Ary haidiko amin’ ny taranak’ i Davida sy amin’ ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany.