Epistily ho an'ny Hebreo 10:30
Fa fantatsika Izay nanao hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;” ary koa: “Jehovah hitsara ny olony”.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
31Zavatra mahatahotra ny ho azon’ ny tànan’ Andriamanitra velona.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 10
Cross References
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Psalms 94:1Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
Psalms 98:9Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin’ ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin’ ny fahitsiana.
Isaiah 59:17Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
Isaiah 63:4Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ ny voavotro.
Ezekiel 34:17Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin’ ny ondry aman’ osy, dia ny ady ataon’ ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.