Epistily ho an'ny Hebreo 10:34
Fa sady niara-niaritra tamin’ izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 10
Cross References
Ecclesiastes 3:6Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
Matthew 6:19Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.
Luke 10:42nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.
Acts 5:41Ary ireo dia niala teo anatrehan’ ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’ izany anarana izany.
Acts 28:20Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan’ ny Isiraely no ifatorako amin’ ity gadra ity.
Ephesians 3:1Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, ―