Epistily ho an'ny Hebreo 10:39
Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
38Ary “ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 10
Cross References
1 Samuel 15:11Manenina Aho noho ny nanaovako an’ i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin’ i Jehovah mandritra ny alina.
Proverbs 1:32Fa ny fihemoran’ ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ ny adala handringana azy.
Mark 16:16Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.
John 3:15mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
John 6:40Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
John 20:31fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany, raha mino ianareo.