Epistily ho an'ny Hebreo 11:13
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ ny tany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 11
Cross References
Genesis 23:4Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
Genesis 27:2Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
Genesis 48:21Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo.
Genesis 49:18Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
Genesis 49:33Ary rehefa vitan’ i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ ny razany.
Numbers 10:30Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin’ ny taniko sy ny havako.